Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bembary: nahazo poste avancé ny zandarimaria

Bembary: nahazo poste avancé ny zandarimaria

Notokanana ny asabotsy teo ny zana-tobim-paritra na poste avancé ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bembary, distrikan’i Moramanga. Tonga nitarika izany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. Foto-drafitrasa feno amin’ny maha lakazera azy no naorina ao Bembary satria ankoatra ny birao fiasana dia misy ny trano fonenan’ireo zandary voatendry hiasa ao koa. Nambaran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena fa efa voatendry ireo zandary hiasa ao amin’ity poste avancé ity ka hiasa avy hatrany izy ireo aorian’izao. “Tsy maintsy miasa mba ho fiarovana ny olona sy ny fananany ireo zandary voatendry ireo. Mitohy ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny fanadiovana ka ny ady amin’ny kolikoly no isan’ny enti-manatanteraka  izany”, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa.

J.C

Les commentaires sont fermées.