Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Miaramila iray naratra mafy nandritra ny fifampitifirana nahery vaika tao amin’ny fokontany Bemena, distrikan’i Maintirano, omaly. Dahalo roa kosa maty voatifitra nandritra ny fifandonana ka tratra tany amin’izy ireo ny basim-borona telo nampiasain’ireto dahalo ireto. Mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ilay miaramila naratra.

Basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny bala enina no nisy namerina tao amin’ny borigadin’ny zandary ao Amborompotsy, ny alakamisy maraina teo. Tamin’ny 5 ora maraina koa tao Belanitra, fokontany sy kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, nandritra ny fisamborana lehilahy iray sy nisavana ny tranony, azon’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Fenoarivo ny basy Kalachnikov iray sy basy Mas 36 tsy misy bala. Miisa telo, araka izany, ireo basy mahery vaika azon’ny zandary tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

 

Les commentaires sont fermées.