Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: tratra ireo mpivady mpangalatra moto

Saron’ny polisin’ny Fip ao Toamasina ireo mpivady mpangalatra gagilahy moto. Ny alakamisy alina 4 marsa hifoha ny omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy 30 mn, nisy namaky ny tokantrano iray ao Tanambao Verrerie Pcle 21/74. Nopitsohin’ireo olon-dratsy ny hidin’ny vavahadibe. Lasan’ireo jiolahy ny moto iray nipetraka tao an-trano. Omaly maraina ihany, niezaka nanara-dia ilay moto ny tompony sy ny olona sady niantso ny polisin’ny Fip Toamasina. Nitohy ny fitsirihana niaraka amin’ny polisy amin’izay mety hahitana ity moto ity. Efa lasa lavitra ireo mpangalatra moto sy ilay moto nangalarina tamin’io fotoana io. Tsy nihemotra mihitsy anefa ny polisy sy ny fokonolona nanampy tamin’ny fanarahan-dia. Vokany, tratra tao an-tokotany ao Amparantanàna Tanambao Verrerie ilay moto. Tratra tao koa ireo mpivady tompon’antoka tmin’ilay halatra. Niaiky ny heloka vitany izy mivady nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Tafaverina amin’ny tompony kosa ilay moto. Fantatra fa isan’ny mitana ny lohalaharana amin’ny halatra moto ny ao Toamasina, raha ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny polisy, na izany aza, efa manao izay ho afany ny polisy amin’ny fanenjehana ireo tambajotrana mpangalatra moto.

Jean Claude

 

Les commentaires sont fermées.