Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery taratra… herinandro: mbola be raha manahirana…      

Nilaza ny minisitry ny Fitsarana fa efa nampitandremana mialoha ny amin’ny tsy hamoahana na ny hanomezana fahafahana vonjimaika ilay atidohan’ny fakana ankeriny tany Toamasina. Noho izany, misy kolikoly ny raharaha. Nambarany fa mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna.

Nidina ifotony eny anivon’ny faritra ny mpikamban’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), hijery ny amin’izay karazan-drafitra sy soatoavina nentim-paharazana. Mba hahazoana mamerina ny fampiharana ny dina, ahombiazana amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana.

Nanatrika ny fianianan’ny filohan’i Sénégal, i Macky Sall, vao voafidy fanindroany ny filoha malagasy, Rajoelina Andry, noho ny fanasana azy manokana. Teo koa ny fanotronany ny faha-59 taon’ny fahaleovantenan’io firenena io. Nisy ny fihaonany tamin’ireo teratany malagasy miisa 300 any an-toerana.

Tsy nisy fifanarahana teo amin’ny fanjakana sy ireo mpamatsy solika. Noho izany, tsy mbola miova aloha ny vidin-tsolika amin’izao. Mangataka fampidinana 700 Ar ny fanjakana raha 200 Ar izany amin’ny mpamatsy solika. Hamoaka ny vidiny farany ny fanjakana, raha tsy misy ny fifanarahana.

Nanampy vola 350 000 dolara ny fanjakana norvezianina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Ao anatin’izany ny fanofanana ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato  isanisany fa misy tsy fitoviana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny fifidianana solombavambahoaka.

Vita ny fihaonan’ny governemanta malagasy tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’ny niaraha-nidinika tamin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka, ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Nambaran’ny praiminisitra fa ampy ny vola hanaovana fifidianana.

Amin’izany rehetra izany, mbola be ny manahirana ny vahoaka ifotony? Tonga ny vary mora ary efa amidy eny amin’ny renivohi-paritra sasany, ohatra. Tonga ireo vehivavy malagasy niasa tany Koweit. Miisa 46 ny andiany voalohany ary 52 ny faharoa, mbola misy hafa andrasana…

R.Nd.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique