Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haintrano tao Tanambao II: tsy tonga ny mpamonjy voina an’ny kaominina fa lany solika

Haintrano tao Tanambao II: tsy tonga ny mpamonjy voina an’ny kaominina fa lany solika

Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Tanambao II, ny alakamisy tolakandro teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Trano lehibe miisa telo indray kila forehitra hotohoton’ny afo. Vokany, indray tsy manan-kialofana ny fianakaviana dimy. Nisy, noho izany, ny fiantsoana ny fiaraben’ny mpamonjy voina an’ny kaominina fa tsy rototra izy ireo nilaza fa tsy afaka mivoaka fa tsy misy solika. Soa ihany fa nisy ny fiarabe mpamonjy voina an’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka tonga haingana namonjy sy namono ny afo ary nalaky voafehy ihany izany na teo aza ny tsy firaharahan’ny kaominina. Nisaotra ny fihetsika maha te hidera nataon’ny tale jeneralin’ny Spat ireo niharam-boina noho izao fanampiana nataon’ny avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao. Voafehin’ireo fiaraben’ny Spat tao anatin’ny fotoana, araka izany, ny afo ka tsy niitatra tamin’ireo trano eo amin’ny manodidina. Tsy vao izao fa matetika ahitana trangana haintrano ihany koa ny ao Toamasina. Aoka ho mailo hatrany fa tampoka ny fiavian’ny loza.

Sajo

Les commentaires sont fermées.