Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo: resaky ny mpitsimpona akotry; Haja ho an’ny mpanasa ny fahatongavan’ny Filoha Malagasy mivady

Indroa izay, raha misy ny fanintelony dia efa lazaina ho lamaodin’ny filoham-pirenena eto amin’ny manodidina ny fanasana an’ny Filoha Malagasy sy Ramatoa Mialy Rajoelina vadiny ho vahiny homena voninahitra manokana rehefa misy lanonam-be any aminy. Herinandro lasa izay tetsy Maurice tamin’ity ary amin’ny faritra andrefan’ny kaontinanta Afrika any Sénégal. Sao ianao mihevitra… Manan-danja eto Afrika izany Sénégal izany, ary ny Filohany Macky Sall dia fantatra fa mpanorona asa goavana ho fampandrosoana ny fireneny. Samy efa lehilahy lehibe, samy zanaky ny mpanefy ka tsy hifampidera taim-by, nefa moa rehefa dinihina dia mitovitovy fijery sy tetika ihany ireto filoham-pirenena roa lahy ireto, ary samy manana fanetren-tena ka azo heverina fa manga toy izany ny resaka ary tsy misy fisalasalana fa mifanakalo traikefa an-kitsipo.

Tsy azo lazaina ho zava-baovao ny fomba kasaina ho entina hampandrosoana ny firenena. Tany aloha tany rehefa reraka ny toe-karena, fanaovana asa goavana hatrany no naroso ho fanomezana azy hery vaovao. Efa naka tombon-dàlana momba izany Sénégal tarihin’ny Filoha Macky Sall. Folo angamba ny mason’ny Filoha Andry Rajoelina mandinika ny pitsopitsony rehetra, itsy fomba itsy toa tena manafaingana ny asa, itsy kosa tsara hialana angamba fa mandany fotoana…

Ny fanaovana asa goavana moa dia na mila vola arak’izany izay antoky ny ho avy no masonkarena dia tsy tokony hiteraka fatiantoka sady tsy hiandrasana ela ny fodian’ny lany ho ventiny. Ny chantier fanamboarana, na eo aza ny fandaniana, dia efa tonga dia mitondra fivoarana, ny asa aterak’izany sy ny fifaneraserana manodidina. Ny tsena mahazo aina ny karazan-draharaha mitombo arak’izany. Inona moa no resaka ao anatin’ilay IEM? Seranan-tsambo, seranan-draopilanina, làlana, tsena, fianarana. Raha izany no vita, efa eo izany ny toko sy vilany. Asa raha hiandry hotolorana kitay sy fitaovana hatsakana rano vao samy hahaleo tena amin’ny fandrahoana sakafony.

Ny vola enti-manana ho an’izany no mbola tsy mazava amintsika vahoaka, fa raha tena mandeha araky ny voalaza, tokony tsy ho ela toy ny ohatra teo aloha dia efa eo ny fatana sy vilany. Nandritra izay fotoana izay ny tsirairay efa nahangona ny sakafo hatokona. Toa atao sarisary tsotsotra ny fitarafana ao an-tsaina an’izany fandrosoana izany, nefa zava-tsarotra efa ela nandrasana, tsy mety ho tonga ! Mbola hatao ampitso-ampitso ihany ve amin’ity indray mandeha ity ?

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.