Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mitohy ny fikarohan’ny polisy an’i Zefa Ville, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny distrikan’i Manandriana. Araka ny loharanom-baovao voarain’ny polisy avy ao amin’ny distrikan’i Manandriana, mihazona fitaovam-piadiana mahery vaika ao an-tranony ao amin’ny fokontany Antaniditra, kaominina Anjomahadizina, distrikan’i Manandriana i Zefa Ville, dahalo anisan’ny atahoran’ny fokonolona ao an-tanàna. Nanaovan’ny polisy sarika am-pandriana tao an-tokantranony izy, ny alatsinainy teo fa tafaporitsaka ihany ka izao tsy mbola hita izao. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahatrarana basy lava vita gasy efatra ka ny roa calibre 12 ary ny roa hafa kosa calibre 16, bala chevrotine miisa dimy calibre 16 ka ny iray amin’ireo efa nipoaka ary balana Kalachnikov efa namboarina ny iray.

Dahalo raindahiny malaza ratsy amin’ny halatra omby ao amin’ny kaominina Tsiafabositra, distrikan’i Maevatanana indray no voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny Bataillon voalohany. Nisy ny fifampitifirana ka lavo nandritra izany ity dahalo ity. Efa ela no nikarohana ity dahalo raindahiny ity, raha ny tatitra nampitain’ny miaramila hatrany.

Les commentaires sont fermées.