Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foibe fitsarana fiarakodia: nanao hetsika fanadiovana sy fanatsarana ny asa

Foibe fitsarana fiarakodia: nanao hetsika fanadiovana sy fanatsarana ny asa

Natomboka tany amin’ny ivontoerana fitsarana fiarakodia any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, toy ny any Manakara, Ihosy, Farafangana, Fianarantsoa, Toliara ny hetsika fanadiovana sy fanatsarana ny asa eo amin’ny sehatra fitsarana fiarakodia, indrindra fa ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fanamby napetraky ny talen’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) eny Alarobia, ny Jly Tsirivelo Nicolas. Nanomboka ny 18 marsa lasa teo ity hetsika ity ka ny tao an-dRenivohitr’i Fianarantsoa no nisantarana izany izay notarihin’ny tale teknika ny Kly Razafimandroso Aurélien sy ny “Chef de service des operations et contrôles routiers” avy ao amin’ny foibe fitsarana fiarakodia Alarobia Amboniloha, ny Kapiteny Razandrinirinjokiny Honoré. Nisy ireo fiara tsy tomombana ara-teknika hita nandritra ny fisavana natao teny amin’ny toeram-piantsonana. Ireo fiara mpitatitra olona miafina sy mandositra kosa dia hangalana taratasy fahazoan-dalana avy eny amin’ny fitsarana mba hahafahana miditra avy hatrany ao anatin’ny fefy na ny toerana iafenan’izy ireo. Ny fepetra noraisina, ny fanaovana “inapte” avy hatrany ireo fiara hita fa lany “visite technique”. Asaina manamboatra ireo hita fa tsy mety tamin’ilay fiara ny tompony izay fantatra fa mety hampidi-doza na hanimba ny tontolo iainana. Rehefa vitany ny fanamboarana dia miverina manatona ny sampana fitsarana fiarakodia indray izy mitondra ilay fiara hatao “contre visite” ary aorian’izay vao omena taratasy vaovao milaza fa “apte” ilay fiara. Nampahafantarina koa ireo mpitsara fiarakodia fa tsy ekena intsony ny fanaovana ny fitsirihana ara-taratasy fotsiny fa tsy maintsy entina atao fitsirihana ny fiara rehetra. Ny fandikana izao fenitra izao dia handraisana fepetra henjana mifanaraka amin’izay toy ny fanasaziana ireo mpitsara fiarakodia.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.