Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny kolikoly: voafidy ho filankevitry ny UA, Andriamifidy Jean Louis

Ady amin’ny kolikoly: voafidy ho filankevitry ny UA, Andriamifidy Jean Louis

Sehatra sy dingana avoavo kokoa. Tanterahina  any Tanzania ny fivorian’ny filankevitra  eo anivon’ny Vondrona afrikanina  (UA) misahana ny ady amin’ny  kolikoly. Nanamarika  izany ny nanaovan’ny tale  jeneralin’ny Bianco fianianana amin’ny naha voafidy azy ho mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny fakan-kevitra eo anivon’ny UA. Hisahana ny  faritr’i Afrika atsinanana ny tenany, manomboka izao. Anisan’ny rafitra iray eo anivon’ny UA  ahitana mpikambana 11 io filankevitra io ary manana fe-potoam-piasana roa taona azo avaozina. Anisan’ny mason-tsivana takina amin’ireo mpikambana ny fandraisana  andraikitra  eo  amin’ny ady amin’ny  kolikoly, ny fahaiza-manao, ny  fahaiza-manentana  hisorohana mialoha ny kolikoly… Anisan’ny andraikitra iantsorohan’ireo mpikambana ny fampirisihina ny tokony handaniana  ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly  sy ny  hampiharana izany  aty amin’ny kaontinantaben’i Afrika.

Hifarana  ny volana  jona  ny fe-potoam-piasana

Eo koa ny fanoloran-kevitry ny governemanta manoloana  ny ady atao amin’ny fihanak’io aretina iray manimba  ny fanjakana tsara tantana io. Manao  ny  tatitra  rehetra eo anivon’ny mpanatanteraka eo anivon’ny UA ny asa vita sy ny fandrosoan’izany isak’ireo firenena mpikambana ary  koa ny fampiharana ny fifanarahana ao amin’ny UA momba ny fisorohana mialoha ny kolikoly ny mpikambana eo  anivon’ity filankevitra  ity.

Tsiahivina fa hifarana amin’ny 24  jona 2019  izao ny  fe-potoam-piasan’ny tale jeneralin’ny Bianco,  Andriamifidy Jean Louis. Na izany aza anefa, mbola manohy ny ady amin’ny kolikoly ny  tenany, saingy  amin’ny endrika hafa sy iraka manokana ataony, manomboka  izao, eo anivon’ny  UA.

Synèse  R. 

 

Les commentaires sont fermées.