Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho tao Mahamasina: tsy hita indray ny mpikarakara…

« Tô korontana be tsisy bagara », hoy ny anarana nampisalorana ilay fampisehoana, notontosaina tetsy amin’ny kianja « annexe » Mahamasina ny alahady teo. Toa izay tokoa no nitranga satria tena « korontana be » ara-bakiteny ary kely foana ny tsy nisian’ny « bagara » tamin’ny farany.
Fantatra mantsy fa nanjavona indray ilay mpikarakara ny fety (indray satria tsy voalohany ny tranga), nandritra io fotoana io. Vokatr’izay, tsy niaka-tsehatra ireo mpanakanto goavana nandrasan’ireo mpijery, toa an-dry Big Mj sy i Tence Mena. Ireo vao misondrotra, nantsoina “hampihomehy” toa an’i Bolo Pixx, Ra-Force ary i Anja La Méchante ihany no nahavita ny anjarany, araka ny filazan’ireo nanatri-maso.
“Tezitra ireo mpijery niandry teo satria efa nisy nahatazana ireo mpanakanto ankafiziny, kanefa tsy niaka-tsehatra ireo. Saika nifatratra tany amin’ny fanamafisam-peo izany raha tsy nalaky voalamina”, hoy hatrany ny fitantaran’ny nanatri-maso iray.
Toy ny efa mahazatra ireo niara-niasa taminy, tsy azo tamin’ny finday intsony ity mpikarakara fampisehoana malaza ratsy ity, nanomboka teo. Araka ny vita sonia anatin’ny taratasy fifanarahana anefa, tokony ho voaloa manontolo, mialoha ny hiakarany an-tsehatra, ny karaman’ireo mpanakanto handray anjara.
Hatramin’ny ora farany nanoratanay omaly, tsy azo tamin’ny findainy mihitsy ity mpikarakara fety ity, nakana fanampim-baovao sy ny antony nisian’ny olana. Fantatra kosa fa efa nanao fifanarahana vaovao tamin’ireo mpanakanto izy mba tsy hiitaran’ny resaka ka nandamina ny olana teo amin’izy ireo.
Nilamina, saingy misy hatrany ny fanontaniana mipetraka: ahoana izany ny amin’ireo mpijery nandoa vola hankafy an’ireo mpanakanto rehetra voalazan’ny petadrindrina? Mbola azo ekena ihany ve izany ny tandrametaka toy izao, anatin’ny sehatry ny fikarakarana fety aman-danonana?

Randria.

Les commentaires sont fermées.