Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – Tompondakan’i Afrika: handray anjara ihany ny klioban’ny Zandarmaria!

Tsy maintsy tonga any Al-Ahly, Egypta, farafahatarany ny 30 marsa izao, ny klioban’ny GNVB, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny klioba tompondaka, taranja volley-ball. Raha ny vaovao voaray, mety handray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity ihany ny klioban’ny Zandarmaria nasionaly izay tsiahivina fa solontenan’ny faritra faha-7. Alahelo ihany ny an’ireo mpankafy ity taranja ity, indrindra ireo mpanohana ny GNVB, tamin’ny faran’ny herinandro teo, rehefa nahita ny fanambaran’ny filohan’ny klioba tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-dRenivohitra ny amin’ny tsy hahafahan’ny klioba handray anjara amin’ity satria voalazany fa tena antony ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy ny tsy fahatokisana loatra ny mety hahazoan’ny mpilalao vokatra tsara any ka nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Tamin’ity herinandro ity kosa anefa, niova ary velombolo indray ireo mpilalao rehefa nahaheno fa handeha ihany ny GNVB, taorian’ny fampanantenan’ny fioham-pirenena hanome vola hahafahan’izy ireto mandeha any Egypta. Tsy niandry ela, niverina nanao fanazarantena ry zalahy izay tsiahivina fa efa tamin’ny fiandohan’ny volana janoary no nanomboka nanomana. Amin’ny 31 marsa hatramin’ny 11 avrily ny hanatanterahana izany ka antenaina fa hanao ny tsara no ho ny tamin’ny 2016 izy ireo. Tsiahivina fa laharana faha-12 ny nisy antsika tamin’ireo firenena 24 tamin’izay. Manana mpilalao tanora ampy hiatrika izany isika, toa an-dry Tsiory, i Miora, i Irina, i Anicet ary i Bwassa. Ny ho tafakatra hatrany amin’ny dingana ampahefa-dalana ny tanjona sy ny faniriana ho azy ireto amin’ity andiany ity, raha nanatsara ny teo amin’ny “service” sy “reception”.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.