Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Top 6 Aroi»: Cosfa 22 lahy hanafika ny Maorisianina

Rugby – «Top 6 Aroi»: Cosfa 22 lahy hanafika ny Maorisianina

Hiditra an-tsehatra hiatrika ny lalao voalohany hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina «Top 6 Aroi», taranja rugby, ny Cosfa, tompondakan’i Madagasikara, ny asabotsy 23 marsa ho avy izao. Hanafika ny Highland Blues Curepipe Starlight, tompondakan’i Maorisy, izy ireo.

Mpilalao 22 ny hiatrika ity fihaonana ity, hanainga rahampitso zoma. Saika ao avokoa ireo mpilalao ahafantarana ity ekipan’i Bebaoty ity. Raha ny vinavina aloha, mety tsy hahatohitra ny Cosfa ireto Maorisianina ireto, na hilalao ao amin’ny kianjany aza.

Ry zareo Highland Blues, izay efa resin’ny RC ST Pierre, La Réunion, tamin’ny isa 33 no ho 13, nandritra ny lalao voalohany ho an’ity sokajy “B” ity.  Efa vonona ny Bebaoty hanapotika an-dry zareo Maorisianina. Manana tombony eo amin’ny haben’ny vatana aloha ry zareo Maorisianina, saingy mavesatra ka mety tsy haharaka ny hazakazaka hataon’ny mpilalao malagasy, tarihin-dry Hery sy ry Tolotra ary ry Jacquis. Hahatratra 27 ny isan’ny mpikambana ao anaty delegasiona malagasy ka  mpanazatra ny roa, 22 ny mpilalao. Hitarika ny Cosfa ny jeneraly Joasitera Rolando.

 

Tompondaka

Ireo mpilalao mandrafitra ny Cosfa :

 

1-Rija Patrick ; 2- Heriniaina Sylvain ; 3 – Rodolphe ; 4 – Rivo Jacquis ; 5 – Rijaniaina ; 6 –  Tolotra ; 7 – Mampionona ; 8 – Hery ; 9 – Hervé ; 10 – Rija ; 11 – Nofitiana ; 12 – Ali ; 13 – Jimmy ;  14 – Tahiana ; 15 – Toky ; 16 – Jean – Claude ; 17 – Jean Olivier ; 18 – Fabien ; 19 – Said ; 20 – Alain Cedric ; 21 – Setra ; 22 – Briand

Les commentaires sont fermées.