Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Telma coupe de Madagascar»: hanafika ny AS Adema ny Hzam Alaotra Mangoro

Hiditra amin’ny dingana ampaha-32-n-dalana, ny asabotsy 23 hitohy ny alahady 24 marsa ho avy izao, ny fiadiana ny “Amboaran’i Madagasikara”, taranja baolina kitra na ny “Telma coupe de Madagascar”. Fihaonana 31 ny hotanterahina amin’izany ka anisan’ny ho goavana ary hiendrika famaranana kely ny fifandonan’ny Hzam Alaotra Mangoro sy ny AS Adema. Hanafika ny ekipan’ny seranam-piaramanidina etsy Mahamasina, amin’ity, ry Gaona. Hiady tokoa ny fihaonana satria ekipa samy manana ny maha izy azy avy ny roa tonta. Na izany aza, heverina fa mety hanantombo kely ny Adema, izay hilalao etsy amin’ny kianja efa mahazatra azy. Klioba tsy vaovao amin’i Mahamasina ihany koa ny Hzam fa efa imbetsaka niatrika lalao teo.

Ho any Toamasina kosa ny AS Jet Mada Analamanga ka hikatroka amin’ny Tia Kitra. Hiady ihany koa ny lalao satria hiady ny tapakila eo amin’ny kianjany ny Tia Kitra. Karazany valin’ady ihany ity satria ny Jet Mada Itasy izay klioba rahalahin’ity Analamanga ity no nanintsana ny Tia Kitra, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Ny Ajesaia, hampiantrano ny MI20 Analamanga ary hifandona amin’ny AS Jet Mada Itasy ny AS Andry Bongolava. Ny Cnaps Sport Itasy, handray ny Net Football Club Analamanga.

Hanala vela amin’ny Zanakala FC ny AS Jofama Amoron’i Mania. Raha tsiahivina, resin’ny Zanakala, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, ny ekipan’Amoron’i Mania.

 

Tompondaka

 

 

Les commentaires sont fermées.