Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny fitoeram-bala tsy misy bala intsony no naterin’olona iray tao Vohitrangakanga, fokontany Andrahalana, kaominina ambonivohitr’Ambatofinandrahana, ny 19 marsa 2019 antoandro teo. Napetraka avy hatrany ao amin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao Amoron’i Mania ity fitaovam-piadiana ity.

Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny zandary tao Iakora, basy Kalachnikov iray koa azon’ny zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Begogo. Ny 16marsa 2019 teo, naterin’olona iray koa ny basy Kalachnikov iray tsy misy bala intsony. Nanentana ny mponina tany an-toerana rahateo ny zandary mba hanatitra ireny fitaovam-piadiana miparitaka ireny.

Les commentaires sont fermées.