Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lapan’i Tsimbazaza: miketrika hamerina kilasy ireo depiote teo aloha

Lapan’i Tsimbazaza: miketrika hamerina kilasy ireo depiote teo aloha

Maromaro ireo depiote teo aloha mbola nirotsaka hofidina, miketrika ny hiverina ho eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza.

Ao ireo mbola natolotry ny antokony. Anisan’ny mbola nametrahan’ny TGV/Mapar fitokisana ary hamerina kilasy eny Tsimbazaza ohatra ry Razanamahasoa Christine any Ambatofinandrahana, Nina ao Mahajanga, Jocelyne Maxime any Antsiranana.  Niova distrika fa mbola anisany ny minisitra am-perinasa, i Naharimamy Irma… Tahaka izany koa ny an’ny Tim. Voatazona mbola kandidà etsy amin’ny boriborintany I, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, Rastany eny amin’ny faharoa, Rakotomanjato Rodin any Arivonimamo…

Natosika ho kandidà tsy miankina ireo H VM

Eo koa ireo voailika na tsy naharesy lahatra ny mpitarika ka nikisaka nirotsaka any amin’ny mahaleo tena. Nirotsaka  amin’ny tsy miankina ao Toamasina I, i Tody Arnaud avy amin’ny TGV/Mapar teo aloha na koa ny depiote Tim, Randriamandimbisoa Felix, boriborintany fahefatra, niofo ho mahaleo tena.  Misy koa anefa ireo tena tsy nilatsaka amin’ny anaran’ny antoko fa natosika mihitsy hanao tsy miankina noho ny tsy faharesena lahatra fa hanahirana manoloana ny safidim-bahoaka. Anisan’ny nanao izany ny antoko HVM. Kandidà tsy miankina ohatra ny depiote teo aloha, Milavonjy Philobert any Ambovombe Androy.

Vitsy tanteraka ireo vehivavy kandidà depiote

Tahaka izany koa ireo minisitra HVM teo aloha nirotsaka amin’ny mahaleo tena. Maromaro izy ireo. Anisan’izany Rasoazananera Marie Monique any Ambositra,  Andriamosarisoa Jean Anicet ao Ambalavao, Andriamanarivo Lalatiana any Faratsiho, Ralava Bebomarimisa any Manakara…Anisan’ny naha maro  aniasa ieo kandidà tsy miankina amin’ity fifidianana ity izany tsy  maintsy fiovana loko izany na koa  noho ny nanilihan’ny antoko azy ireny, tsy ho kandidà.

Etsy andaniny, ambany  tanteraka ny taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny  firotsahana ho kandidà  depiote. 15% monja  izany raha 85% kosa  ireo kandidà lehilahy. Mbola lavitra ezaka ny resaka  mira lenta na  koa ny fidiran’ny  vehivavy an-tsehatra manoloana ny safidim-bahoaka.

Hifampitady amin’ny Tim sy TGV ireo tsy miankina

Araka  izany, hifampitana amin’ny kandidà tsy miankina izany ny kandidà natolotry  ny antoko Tim/K25,  tarihin’ny filohany,  Ravalomanana sy ny IRD miara-dia amin’ny  filoha Rajoelina amin’ity indray mandeha ity. Ho hita eo ny safidim-bahoaka na hiandany amin’ny antoko politika na hirona any  amin’ireo efa tao anaty antoko nefa nanao mahaelo tena na  koa ireo nirotsaka amin’ny tsy miankina tanteraka  mihitsy.

Synèse R.      

Les commentaires sont fermées.