Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 

Maty notifirin’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray mpivaro-kena nosakanan’ny jiolahy tao Analavory, ny talata hariva lasa teo. Hamonjy fodiana izy mivady no nosakanan’ireo jiolahy ka niharan’ny tifitra avy hatrany. Maty tsy tra-drano ilay raim-pianakaviana. Lasan’ireo mpanafika ny vola 5 hetsy Ar. Mpivaro-kena ao Analavory ilay raim-pianakaviana ary miaraka aminy manampy azy ramatoa vadiny. Basy PA no nampiasain’ ireo jiolahy nandritra ity fanafihana ity.

Tonga nampandre tao amin’ny biraon’ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava ny sefo fokontany ao Fiadanana, ny 18 marsa lasa teo nilaza fa mbola tsy nisokatra ny tranon’ny mpiasa sivily iray miasa ao amin’ny toby miaramila Capsat kanefa misy fofona maimbo heno eny an-toerana. Nidina teny an-toerana ny zandary ka hita faty tao an-trano ny lehilahy iray mitsotra eo am-pandriana, ny fahitalavitra anefa mbola mandeha. Hamamoana no voalaza fa nahafaty azy.

Les commentaires sont fermées.