Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika: hanainga amin’ny 23 marsa izy efa-bavy

Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika: hanainga amin’ny 23 marsa izy efa-bavy

Araka ny efa fantatra, hanana solontena i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, vehivavy, taranja tsipy kanetibe izay hotontosaina any Tonizia, manomboka ny 26 marsa ho avy izao. Hanainga amin’ny sabotsy 23 marsa hoavy izao, ny ekipam-pirenena malagasy, raha ny loharanom-baovao. Taorian’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, ny 9 sy 10 marsa lasa teo, efa fantatra avokoa ireo solontenantsika handray anjara amin’ity fifaninanana afrikana ity, ahitana an-dry Lila, Mirana, Tita ary i Hasina. Mba hahatsara fiomanana azy ireo, efa anatin’ny fampivondronana farany etsy amin’ny boulodrome PAC amin’izao, izy efa-bavy, araka ny nambaran’ny Jeneraly Tahiry, manara-maso sy manomana akaiky azy ireto. « Ao anatin’ny heriny tsara avokoa ireo mpilalao, efa tena mifankahazo tsara ireto ankizy ireto, izay manao fanazarantena isan’andro, manomboka amin’ny 7ora sy sasany hatramin’ny 11ora antoandro ary manomboka amin’ny 2ora ka hatramin’ny 4ora ny tolakandro », raha ny fanazavan’ny Jeneraly Tahiry. Nampitomboina mihitsy ny fanomananan-tena, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity satria, isan’ny tena tsara toerana ny Toniziana mpampiantrano. « Na dia sangany aza ny Malagasy, tsy tokony hisehoseho mialohan’ny fotoana », hoy hatrany ity mpanazatra ity, « satria lasa mpifanandrina amin’ny tenany ihany izy ireo amin’izany ».

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique