Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Egeba Est: nodimandry i Pascal Joseph

Tarika Egeba Est: nodimandry i Pascal Joseph

Araka ny vaovao voaray avy any Toamasina, nodimandry ny alarobia lasa teo i Pascal Joseph, ao amin’ny tarika Egeba Est. Tojo tsy fahasalamana izy tamin’ny fandalovany an-tanindrazana, izay nitarika ny fahafatesany, raha ny fanazavana. Fantatra mantsy fa efa nipetraka any Frantsa ity mpanakanto ity sy ny vady aman-janany.
Anisan’ireo andrin’ny tarika Egeba Est i Pascal Joseph, satria sady mpamoron-kira izy no mpandrindra ihany koa. Nampalaza ny tarika ireo hira toa ny “Anti-bavy namahan-jafy”, “Viavy tsy maha lilahy”, sns. Ny gadona basesa no tena nahafantarana azy ireo.

 

Les commentaires sont fermées.