Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tantara an-tsary: nodimandry Rajaomahefarison Jocelyn

Tantara an-tsary: nodimandry Rajaomahefarison Jocelyn

Mpanao tantara an-tsary nanana ny lazany Rajaomahefarison Jocelyn. “Joce”, hoy ny namany akaiky. Tena hainy tanteraka ny mambabo ny fon’ireo izay mahita ny sanganasany amin’ny alalan’ny talentany.

Misaona ny tontolon’ny tantara an-tsary sy ny hosodoko. Nodimandry  ny 13 marsa, teo amin’ny faha-60 taony Rajaomahefarison Jocelyn. « Andrarezin’ny tantara an-tsary malagasy », io no iantsoan’ny mpitia sy ny mpanao tantara an-tsary azy. Anisan’ny nanasongadina ny talentany ny « Koditra », tantara an-tsary anisan’ny be mpanjifa indrindra rehefa navoaka boky, nandritra ny fotoana nampiroborobo fatratra ny tantara an-tsary, teto Madagasikara (Taona 1985 – taona 1991). Tany ho any amin’ny taona 2000, niverina namoaka azy io indray izy. Tantara an-tsary navoakany ihany koa ny « Jery ». Amin’ny ankapobeny, saika tantara an-tsary ahitana fifanandrinana sy fahaizana haiady no tena namoahany ny talentany.

Ny solaitra sy ny tsaoka no sakaiza akaikin’i Jocelyn, raha mbola teo amin’ny faha-6 taony. Zary fahazarana ho azy ny manao sary amin’ireo. Nahavariana olona maro ny zava-bitany. Nisongadina avy hatrany ny talenta fanaovana sary tao aminy. Taty aoriana, navadiny ho fanaovana sary ireo kahie novidiana hoampiasaina any am-pianarana. Vao mainka nisongadina bebe kokoa hatrany ny talentany. Nahatsapa sy nahita izany avokoa ny mpiara-mianatra taminy sy ireo mpampianatra azy. Nitondra vokatra tsara ho azy io fampianaran-tena io. Nahazo fankasitrahana tamina fifaninanana ny sanganasany raha mbola vao 13 taona monja i Jocelyn… Maro ny edisiona efa niara-niasa taminy.

Anio 16 marsa, amin’ny 8 ora maraina, no hoentina miala ao amin’ny tranony ao Andrazara ny nofomangatsiakany. Any Mandivato kosa no hanatanterahina ny fandevenana. Miray fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique