Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sina sy i Madagasikara: niaraha-nijery  ny fampiasam-bola sy ny mpiasa

Sina sy i Madagasikara: niaraha-nijery  ny fampiasam-bola sy ny mpiasa

« Anisan’ny nifampiresahana ny momba ny  fampiasam-bola  sy ny asa ary koa ny fiaraha-miasa miaraka eo amin’i Sina sy  i Madagasikara », hoy ny ambasadaoro Sinoa, Yang Xiaorong. Noraisin’ny minisitry ny Asa, Ramampy Gisèle tetsy 67 ha, omaly. Notsiahivin’ny vahiny fa mivelatra amin’ny sehatra  maro ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo ny fambolena, ny fahasalamana,  ny fanabeazana, ny  fotodrafitrasa…Nambaran’ny minisitra kosa fa tafiditra amin’ny fihaonana ny fandrindrana ny asa sy ny momba ny fahatongavan’ny mpiasa sinoa na koa ny fandehanan’ny Malagasy miasa  any Sina. « Ilaina ny fametrahana fepetra momba izany ary koa ny fifanarahana arakasa. Anisan’izany ny fanomezan-dalana mpiasa hiasa aty amintsika sy ny Malagasy hiasa any amin-dry zareo… mampiroborobo ny fiaraha-miasa izany sady tombontsoa  ho an’ny firenena andaniny sy ankilany ka ilaina ny fifanarahana hampiroboroboana ny fampiasam-bola”, hoy ihany izy. Ankoatra izany, nambarany fa efa eo am-pikarohana vahaolana manoloana ireo mpiasa na vehivavy malagasy miasa amin’ny tany arabo ny fanjakana amin’izao fotoana izao.  “Anisan’ny olana ny tsy nisian’ny fifanarahana mialoha. Mety  ho tsy nahazo alalana na koa tsy ara-dalàna ny nikarakara izany.. . Efa eo am-pandinihana ny hampodiana azy ireo ny eo anivon’ny primatiora”, hoy ny minisitra Ramampy Gisèle.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.