Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rocade Tsarasaotra: nanavotra olona nianjera tamin’ny moto ny Jly Ravalomanana

Rocade Tsarasaotra: nanavotra olona nianjera tamin’ny moto ny Jly Ravalomanana

Nianjera tamin’ny moto nentiny rehefa niala olona niampita arabe tampoka ny raim-pianakaviana iray teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra PK 1+700, omaly tolakandro. Naratra vokatr’izany izy, saingy nojeren’ireo fiara nandalo nifamezivezy tamin’iny lalana iny fotsiny izy naratra nidaraboka teo amin’ny arabe. Nigadona teny Ivato rehefa avy any Betroka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Ravalomanana Richard ka nihazo iny lalana Rocade Tsarasaotra iny, nahita ity raim-pianakaviana niharam-boina iny. Nijanona avy hatrany izy ary namonjy ilay olona haingana ka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana eny Anosivavaka. Niverina indray avy eo ny Seg naka ny moto-n’ilay olona niharam-boina ka mbola tratra teo amin’ilay toerana nianjerany. Voalaza fa nisy olona sendra niampita tampoka tamin’ity lalana ity, ilay mpitondra moto anefa tsy nanampo na inona na inona, niala ilay mpandeha an-tongotra izy ka nianjera avy hatrany. Mbola tsy nahatsiaro tena ilay niharam-boina tamin’izy nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nankasitraka ny fihetsika nataon’ny Seg ilay niharam-boina rehefa nahatsiaro tena tao amin’ny dokotera.

J.C

Les commentaires sont fermées.