Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Olan’ny  fampianarana ambony: manoka-baravarana ho an’ny Seces ny minisitera

Olan’ny  fampianarana ambony: manoka-baravarana ho an’ny Seces ny minisitera

Marimaritra iraisana hatrany. “Tsy maintsy manova isika ary  vonona hiova… Hojerena miaraka ny olana ary mifampiresaka hatrany isika.  Tsy afa-misaraka ny minisitera sy ny Seces”, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa,  Felicité RejoFienena tao Arivonimamo, omaly. Tonga teny an-toerana rahateo ny avy amin’ny Seces nasionaly ary  nitondra ny fehinkevitry ny fihaonambe nataon’izy  ireo tamin’ity herinandro  ity. Anisan’izany ireo tambiny samihafa tokony ho azon’izy ireo. Ny tanin’ny oniversite bodoin’ny olona sasany, ny tokony  hampiharana  ny lalàna… Nambaran’ny minisitra fa mandala hatrany ny fiaraha-miasa ny tenany ary efa mpikambana  rahateo teo anivon’ny Seces ka mahalala ny olana. Notaterina tamin’izany koa ny diany tatsy amin’ny  Nosy Maorisy niaraka amin’ny filoha Rajoelina.

Fampiharana ny fikarohana momba ny zanakazo… 

Nisy ny fifanaovan-tsonia tamin’izany, nanambarany fa tafiditra ao anatin’izany ny resaka vatsim-pianarana sy ny hiitaran’izany hatrany Australia koa. “Miampita tsikelikely ho amin’izany isika. Mbola hojeren’ny teknisian’ny firenena roa tonta ahafahana manatanteraka izany”, hoy izy.

Notanterahina,  omaly ny fambolen-kazo ho an’ity minisitera ity. Mazava ny hafatra  sy ny lohahevitra :  ” Ho rakotra ala i Madagasikara”. Maherin’ny 2 000 ireo zanakazo novolena ary ahitana voankazo sy karazan-kazo 16, toy ny pibasy, ny filao, ny  zakarandahy, ny baobab, ny tsiperifery. “Efa fanao isan-taona  ny hetsika, tahaka izao, ary hanaovana fampiharana ny fikarohana ny fambolen-kazo. Manara-penitra sy siantifika fa tsy tahaka ny mahazatra ny ataonay”, hoy ihany ny minisitra.

Synèse R. 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique