Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: nahazo tonia mpampanoa lalàna ambony

Mahajanga: nahazo tonia mpampanoa lalàna ambony

“Tsy tokony hanao mpitari-bato vilam-bava ny mpitsara ary handefitra ny fitsarana amin’ireo izay mihevi-tena ho tsy matimanota sy ho an’ireo izay fahavalom-bahoaka”. Io ny hafatra avy amin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambony vaovao, Atoa Antoine raha nandray fitenenana, omaly. Notanterahina tao amin’ny fitsarana ambony Mangarivotra Mahajanga ny lanonana ara-pitsarana fametrahana ny Tonia mpampanoa lalàna ambony vaovao. Nitarika izany ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, ny minisitry ny Fitsarana, Randrianasolo  Jacques niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny mpitsara. Araka ny didim-panjakana lah.2018-1640 dia voatendry ho tonian’ny mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny fitsarana ambony ao Mahajanga izy. Raha ny mombamomba azy : Teraka ny 13 septambra 1955 tao Ambanja, faritra Diana Atoa Antoine, manambady ary manan-janaka iray. Magistrat de premier grade izy. Nanaraka ny lalam-piofanana lalàna Droit privé teny amin’ny oniversiten’Antananarivo izy taorian’ny nahazoany ny bakalorea ary nahazo ny diplôme de l’institut d’etude judiciaire. Afaka fanadinana hidirana ho mpitsara ny taona 1989. Efa tonia mpampanoa lalàna tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Mahajanga izy, ny volana janoary 2010 ka hatramin’ny aogositra 2014. Mpisolovava ambony tao amin’ny fitsarana ambony ao Mahajanga kosa talohan’ny nahavoatendry azy ho Tonia.

Tonga nanotrona ny lanonana, omaly, ireo tompon’andraiki-panjakana sivily sy miaramila niaraka tamin’ny teo anivon’ny faritra Boeny.

J.C

Les commentaires sont fermées.