Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivarotana tanim-panjakana: mitaky ny marina  momba ny “Villa Elisabeth” ny mpiasan’ny fananan-tany

Fivarotana tanim-panjakana: mitaky ny marina  momba ny “Villa Elisabeth” ny mpiasan’ny fananan-tany

Nivoaka amin’ny fanginany manoloana ny “Raharaha  Villa Elisabeth” ny eo anivon’ny  fitantanana sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Namory mpanao gazety izy ireo ary nanitrikitrika fa tsy tokony hijanona amin’izao ity raharaha ity.

Maro ireo olona  tokony antsoina hiatrika fitsarana. Hahitantsika ny  marina ny fiatrehan’izy ireo izany satria tsy ny sampandraharahan’ny fananan-tany ihany ny  mikirakira ny antontan-taratasy  momba ireo raharaha ireo :  “Villa Elisabeth”, ireo zaridaina…  , hoy izy ireo, omaly.  Nohitsin’izy ireo fa nanatanteraka baiko fotsiny ihany ireo mpiasa ireo fa mbola miriaria any ny tompon’andraikitra voalohany momba ireo raharaha ireo. Anisan’ny tsy tokony ho afa-bela  ireo nampanao ny sonia sy ny nanao kolikoly. “Tsy voasazy na voantso.  Voasazy avy hatrany kosa  ny nanatanteraka ny  baiko”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’ireto mpiasan’ny fananan-tany ireto fa voatazona am-ponja vonjimaika ny mpiasa naman’izy ireo noho  ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ireo.  Tsy nandositra izy ireo fa naneho fahavononana niatrika ny fitsarana. Mbola vonona koa ny hiatrika  ny andraikiny ao anatin’izany.

Olobe na tompon’andraikitra ambony hafa… 

Na izany aza, niaiky izy ireo fa misy tokony harenina tokoa eo  anivon’ny sampandraharahan’ny  fananan-tany. “Efa  manao izany ny minisitera amin’izao fotoana izao mba  tsy  hiverenan’ny tahaka izao intsony  amin’ny alalan’ny fandaminana vaovao sy  ny fomba fiasa”, hoy ihany ireto mpiasan’ny fananan-tany ireto.

Araka izany, tsy tokony hijanona  eo ny  fanadihadiana sy ny famotorana momba ireo tanim-panjakana ireo  satria ahina mety mbola hisy olobe  na tompon’andraikitra ambony hafa sy ambony kokoa tsy tokony  ho afa-bela amin’ireo raharaha ireo.

Synèse R. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique