Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitokonana – Jirama: hihamafy ny hetsiky ny Farimbon-tsendikaly

Nandamoaka ny fanelanelanana nataon’ny Sampandraharaham-panjakana mpanara-maso ny asa (Inspection de travail), teo amin’ny mpitantana ny Jirama sy ny Farimbon-tsendikalin’ny mpiasa, indroa miantoana. Taorian’ny fivoriambe nataon’ny mpiasa, omaly, teny Soanierana, tapaka fa hitohy ny fitokonana ary hihamafy ny hetsika, manomboka amin’ny herinandro ambony io. Tsy nolazain’izy ireo ny endrik’izany hetsika izany.

Tsiahivina fa anisan’ny takin’ny Farimbon-tsendikaly ny hanesorana ny tale jeneraly sy ny mpitantana ny Jirama isan-tsokajiny. Raisin’izy ireo fa tsy nanaraka ny fepetra notakina ny nanendrena ireo mpitantana. Takin’izy ireo koa ny hamerenana hiasa indray ireo delegen’ny mpiasa, noroahin’ny mpitantana ny Jirama satria tsy nanaraka ny fitsipika anatiny. Voalaza fa efa nanome alalana ny hameranana azy ireo ao amin’ny Jirama ny Sampandraharaha mpanara-maso ny asa.

Etsy ankilany, nanazava ny mpitantana ny Jirama fa misy ny sokajina hadisoana sy sazy mifanandrify amin’izany toy ny fahazoana mandroaka azy avy hatrany rehefa nanao hadisoana tafahoatra sy goavana.

Fantatra fa dingana manaraka handaminana ity fifanolanana eo amin’ny mpiasa sy ny mpitantana ny Jirama ity, ny rafitra mpanelanelana “arbitrage”.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.