Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina: « Tsy hamidy ny tanindrazana »

Filoha Rajoelina: « Tsy hamidy ny tanindrazana »

Nitondra fanazavana. Tafaverina an-tanindrazana, omaly ny  filoha  Rajoelina  sy ireo delegasiona notarihiny rehefa avy nitsidika tatsy Maorisy sy niatrika fivoriana tany Kenya. «Tsy fivarotan-tanindrazana velively ny fametrahana toerana indostrialy lehibe 600 ha ao Moramanga. Hanomezana asa ho an’ny tanora sy ahafahana manatsara ny fanodinana vokatra eto amintsika izany. Misokatra ho an’ny mpandraharaha vahiny sy teratany izany.  Tsy hamidy ny tanindrazana, saingy tsy avela ho ngazana ka hojerena fotsiny », hoy izy teny Ivato. Nanteriny fa fiaraha-miasa amin’ny Nosy  Maorisy ny tetikasa ary fanamby efa napetraky ny filoha Rajoelina ny hametrahana orinasa isaky ny renivohi-paritany. Nanteriny fa tsy maintsy mijery ny fomba isintonana ireo mpampiasa vola vahiny sy teratany hampirisika azy ireo hampiasa vola sy hanorina orinasa eto ny fitondrana. « Ahafahana manatsara ny fanodinana vokatra eto amintsika izany.  Hametraka ny politikan’ny angovo azo avaozina isika. Anjarantsika ny mamadika izany hiteraka asa ary hihena ny vidin’io herinaratra Anisan’ny faritra ara-indostrialy lehibe aty amin’ny  ranomasimbe Indianina io hataontsika io », hoy  ihany ny filoha Rajoelina.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.