Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandaharanasa Defis-FDA: hamokatra vary 250.000 t

Fandaharanasa Defis-FDA: hamokatra vary 250.000 t

Natao sonia, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny fandaharanasa hampandrosoana ny seha-pihariana fambolena iombonana (Defis), sy ny Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena (FDA). Votoatin’ny fiaraha-miasa ny famatsiana vola avy amin’ny Defis ireo tetikasa volavolain’ny FDA. Ao anatin’izany ny fananganana fotodrafitrasa, toy ny tohodrano, ny lakandrano, famatsiana zezika sy masomboly, fananganana trano fitahirizam-bokatra. Eo koa, ny famokarana mitodika amin’ny tsena, hikarohana lalam-barotra, fanamboarana na fanarenan-dalana hamoahana ny vokatra, fanodinam-bokatra, sns.

Nilaza ny mpandrindra ny Defis, Randrianaritiana Pierrot Serge, fa voakasik’ity fandaharanasa ity ny faritra valo, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ka anisan’izany ny any Amoron’i Mania, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, sns. Nanamafy ny tale jeneralin’ny FDA, Rtoa Rahantamalala Fanja, fa antony nisafidiana ireo faritra ireo, ny fahasahiranan’ny mponina sy ny fahantrana ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Fomba vaovao hitahirizan-drano

Anisan’ny zava-baovao hataon’ny tetikasa ny fampiasana teknika vaovao fitahirizan-drano any ambanin’ny tany, hitsitsiana ny rano azo mandritra ny rotsak’orana.

Manodidina ny 4.000 ha ny velaran-tany hijariana ary laharam-pahamehana ny fambolem-bary. Tanjona ny hahazoana vokabary 10.000 t hatramin’ny 250.000 t  fanampiny amin’ity taona 2019. Eo koa ny famokarana katsaka, araka ny kabarin’ny filoha Rajoelina tany Maorisy, hanondranana azy any ivelany.

Namatsy vola 16 tapitrisa dolara ny Defis ny Tahirimbolam-pampandrosoana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena (Fida), ho ampiasain’ny tetikasa FDA, mandritra ny dimy taona. Mitentina 2,5 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ampiasaina amin’ity taona 2019 ity.

Njaka A .

Les commentaires sont fermées.