Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Be diso ny sora-piankohonana: hitory ireo manan-draharaha ao Toamasina

Be diso ny sora-piankohonana: hitory ireo manan-draharaha ao Toamasina

“Tsy zaka intsony, tena manahirana, mampiasa olona tsy mahay manoratra sy mamaky teny ny kaominina”, izay no fitarainan’ny ankamaroan’ny mponin’ i Toamasina izay manan-draharaha eo anivon’ny kaominina, indrindra eo amin’ny sampandraharahan’ny sora-piakohonana. Ny alakamisy lasa teo, raiamandreny maromaro no naka kopia sora-piakohonana ary diso fanoratra avokoa ny anarana sy daty nahaterahan-janany. ” Ain-dehiben’ny hoavin’ny tsirairay maha olona ny fananana kopia sora-piakohonana. Ny fahadisoana tsipelina kely tsy vita raha tsy eny anivon’ny fitsarana ary maha voasazy mihitsy ny fanaovana fahadisoana amin’ny sora-piakohonana satria mitovy lenta amin’ny hosoka izany”, hoy ny fanambaran’ny raiamandreny nanontaniana. Nohamafisiny fa raha mbola misy fahadisoana faninefany, hitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana izy ireo. Efa tsy firaharahiana sy fananiana fa tsy fahadisoana na tsy fahaizana intsony ka hitory eny amin’ny fitsarana izahay, hoy hatrany izy ireo. Takin’ny ireto raiamandreny ireto ny hanaovana sivana ny olona hiasa eo anivon’ny sora-piakohonana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.