Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampiasaina amin’ny hopitaly efatra: nanome fanafody sy fitaovana ny Sinoa

Ampiasaina amin’ny hopitaly efatra: nanome fanafody sy fitaovana ny Sinoa

Natolotra omaly teny amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fanafody sy kojakojam-pitsaboana avy amin’ny fanjakana sinoa tamin’ny alalan’ny masoivohony miasa eto amintsika, i Yang Xiaorong, teny Ambohidahy. Hampiasain’ny delegasiona mpitsabo sinoa hanatanteraka ny asam-pitsaboana eny amin’ny hopitaly efatra : Mahitsy, Vatomandry, Sambava ary Ambovombe Androy ireo fitaovana ireo, araka ny fanazavan’ny masoivoho sinoa. Nanomboka ny taona 1975 no nandefa mpitsabo tsy tapaka eto amintsika ny fanjakana sinoa hiasa amin’ireo hopitaly ireo hikarakara ny Malagasy amin’ny fitsaboana nentim-paharazana toy ny acupuncture sy ny hafa, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, profesora Rakotonirina Julio. Mahazo fanafody sy fitaovana hatrany ireo hopitaly efatra ireo noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Isaky ny roa taona ny fahatongavan’ny mpitsabo sinoa, delegasiona faha-22 no miasa amin’izao fotoana izao ary mpitsabo 654 no efa nitsabo teto amintsika. Mitentina 680 tapitrisa Ar ny fanampiana natolotra omaly fa ny fanjakana malagasy no niantoka ny fitaterana izany sy ny famoahana ny entana teny amin’ny seranan-tsambo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.