Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley: filohan’ny Ligin’i Boeny Rakotoarson Dominique

Volley: filohan’ny Ligin’i Boeny Rakotoarson Dominique

Fantatra, omaly, taorian’ny fifidianana, fa Rakotoarson Dominique, indray izany no hitantana ny ligin’ny Boeny, eo amin’ny taranja Volley ball. Fifidianana notontosaina tao amin’ny biraon’ny DRJS Mahajanga. Kandidà roa no nifaninana tamin’izany, nahitana an-dRakotoarson Dominique sy Andriamatoa Georges. Lany tamin’ny vato 4, i Dominique, raha 3 kosa no azon’Atoa Georges mpifanandrina taminy, izay tsiahivina fa Sekretera Jeneralin’ny ligy teo aloha. Klioba 7 moa no tonga niatrika ity fifidianana ity, niady ary nifandanja tanteraka ny safidy teto, saingy ny ekipa notarihin’dRakotoarson Dominique no nahery. Ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ity taranja no tena tanjona ho azy, eo ihany koa ny fitsirihana sy fitiliana ireo mpilalao sady manam-batana, tsy hadino koa anefa ny fijerena ireo taninketsa izay ho mpandimby any aoriana. Tsy vahiny amin’ny tontolon’ity taranja Volley-ball ity moa Rakotoarson Dominique, filohan’ny klioban’ny Asecna Volley-ball. Efa tazana  teny anivon’ny sekoly ihany koa izy ary mbola mandray anjara amin’ny fifaninanana natokana ho an’ireo sokajy « vétéran » hatramin’izao.

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique