Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nidiran’andro ! Lasan’ny mpanendaka teo 67 ha Atsimo ny telefaonina finday an’olona iray. Nony efa azon’ireo jiolahy anefa ilay telefaonina, nakanaka sary tamin’ilay telefaonina ry zalahy ka nandefa izany tamin’ny facebook, kanjo lasa tany amin’ny kaontin’ilay tompony indray no nandefasany izany ka niparitaka any anaty tambajotran-tserasera facebook ny sarin’ireo mpanendaka. Ilaina ihany itony teknolojia avo lenta itony raha toy izao.

Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanendahana miharo fanolanana tovovavy teny Faravohitra, ny herinandro lasa teo. Voalaza fa sady manolana no mandratra ary manendaka ity jiolahy ity. Lasany avokoa ny fitaovana sarobidy rehetra amin’ireo tovovavy iharan’ny herisetrany. Maro ireo tovovavy efa nitondra faisana tamin’ity jiolahy ity.

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique