Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Soavinandriana  Itasy: kandidàn’ny IRD Ramanana Fiainantsoa

Soavinandriana  Itasy: kandidàn’ny IRD Ramanana Fiainantsoa

Nametraka tanjona  ambony. “Hitondra vahaolana ho fampandrosoana ny tanindrazana, hampandray anjara ny tsirairay ho amin’ny famokarana ka hampiakatra ny fari-piainan’ny vahoaka madinika. Mikatsaka ny ametrahana ny kolontsaina mpandraharaha sy tamberin’andraikitra ary ny fangaharaharana. Mampandray anjara mavitrika ireo mpisehatra rehetra ka hampiakatra ny ara-toekarena”, hoy ny kandidà depiote atolotry ny IRD, miara-dia amin’ny fitondrana  ao Soavinandriana, Ramanana Fiainantsoa. Nambarany fa anisan’ny kendreny ny hiady sy ny handresena ny fahantrana amin’ny alalan’ireo tetikasa iombonana, ny fametrahana sy fampivelarana ny fampitovianjo ny lahy sy ny vavy. “Hiady amin’ny kolikoly. Miaro ny zon’olombelona. Fanamafisana ny fahaiza-manao ka hampitombo ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny asa tanana ary ny fanodinana mitodika mankany amin’ny tsena. Miady amin’ny tsy fananana asa ka mamorona asa…” hoy ihany izy. Efa nanao asa sosialy betsaka tany an-toerana ny tenany. Na teo anivon’ny fiangonana izany na koa  eo amin’ny fiaraha-monina. Fanatsarana ny fampidirana rano madio ao Ampary, fananganana CSB I ao Ankisabe, ny fanampiana sy fampitaovana ny CEG sy ny EPP ary ny tranon’ny zandary. Ny fanofanana ireo vehivavy hanana toetsaina mpandraharaha narahin’ny fanomezana  kojakoja ilaina ao an-tokantrano.

Synèse R. 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique