Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seram-piaramanidina Taolagnaro: voan-drongony, vovoka zava-mahadomelina… saron’ny ladoany

Seram-piaramanidina Taolagnaro: voan-drongony, vovoka zava-mahadomelina… saron’ny ladoany

Voan-drongony nampiarahina tamin’ny vongam-panafody, vovoka zava-mahadomelina… santionany amin’ireo vokatra azon’ny ladoany tao amin’ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro hatramin’izay niverenan’ny zotra mampitohy an’i La Réunion sy Taolagnaro…

Nohamafisin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany ao Taolagnaro fa efa miverina amin’ny laoniny indray, nanomboka ny 3 desambra 2018 teo, ny zotra mampitohy an’i Taolagnaro amin’ny Nosy La Réunion. Sidina mampitohy an’i La Réunion – Taolagnaro – Toliara izay ahitana sidina indroa isan-kerinandro (alatsinainy sy zoma). Manoloana izany, hentitra ny eo anivon’ny sampandraharan’ny ladoany ao Taolagnaro amin’ny fitsirihana ny entan’ireo mpandeha mivoaka sy miditra ao amin’ny seranam-piaramanidina. Santionan’ireo vokatra azon’ny ladoany ny fahatrarana ireto entana tsy azo aondrana any ivelany izay nahitana zava-mahadomelina voan-drongony maro natao tao anaty boatina fanafody ary mody nampiarahina tamin’ny vongam-panafody (comprimés) nokasaina hoentina an-tsokosoko mivoaka an’i Madagasikara. Nahitana voana baobab ary vovo-javatra fotsy, izay ahin’ny mpiasan’ny ladoany ho vovoka zava-mahadomelina. Nahavariana ihany koa ny fahitana takolapanenitra niaraka tamin’ny tranony, menaka trozona izay voararan’ny lalàna tanteraka ny famoahana na ny fanondranana an-tsokosoko ary ny famarotana izany ivelan’i Madagasikara. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana ranon-tantely milanja 9 kg tao anatin’ny entan’ny mpandeha iray avy La Réunion tratra tao amin’ny seranam-piaramanidina.

Nanamafy hatrany ny ladoany fa hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo mpandeha mivoaka sy miditra ny seranam-piaramanidina.

J.C

Les commentaires sont fermées.