Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seces: noentanina hampiato ny asa ny mpampianatra

Seces: noentanina hampiato ny asa ny mpampianatra

Mitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces), omaly. Taorian’ny fivoriana, niroso tamin’ny fijerena ny mpampianatra mbola manohy asa ny mpikambana. Tao amin’ny fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona, mpampianatra iray no nampianatra satria tsy nahalala ny fanapahan-kevitry ny fivoriambe hampiato ny asa. Rehefa nifampiresaka ny roa tonta, najanona ny fampianarana ary nalefa nody ny mpianatra. Nisy nanao fanohanan-kevitra koa tao anatin’ny Amphithêatre ao amin’ny fakiolte fa tsy noelingelina kosa izany. Ho an’n fakiolten’ny Egs kosa, nanaraka ny toromarika nanatsahatra ny asa avokoa ny mpampianatra rehetra. Anisan’ny mpikambana ao anatin’ny Seces Antananarivo ihany koa ny filohan’ny oniversite vaovao voafidy farany teo. Niresaka tamin’ny mpikambana tao amin’ny Seces ny tenany ary nanambara fa manohana ny fitakiana sendikàly koa, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, Ravelorinina Sammy Grégoire. Raha toa tsy mpikambana ao amin’ny sendikà ilay mpampianatra, avela hanohy ny asany milamina izy ireny.

Hitohy ny fanaraha-maso

Hiato ny hetsika, anio, fa hiverina indray ny alatsinainy izao amin’ny fivoriana iarahan’ny mpikambana rehetra. Aorian’izay, hijery ny fakiolte hafa indray ny mpitarika. Tanjona ny hanamafy ny fanentanana amin’ny tombontsoa iraisana sy hanamafisana ny firaisankinan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo. Manaja ny safidin’ny mpampianatra tsirairay ny sendikà ary ao anatin’ny filaminana no hanatanterahana ny hetsika rehetra, hoy izy teny am-pamaranana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.