Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Police Militaire: mahazo jiolahy 20 isan-kerinandro

Police Militaire: mahazo jiolahy 20 isan-kerinandro

Hatramin’ny nanombohan’ny hetsika fisian’ireo police militaire (PM) izay ataon’ireo miaramila manao fisafoana, andro sy alina, eny an-dalambe eto an-dRenivohitra, mahatratra 20 isan-kerinandro ny isan’ireo jiolahy azon’izy ireo, raha ny fampitam-baovao voaray. Nanomboka ny volana janoary teo ity hetsika nataon’ny miaramila manao PM ity izay entina hanomezan-tanana ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eto an-tanàn-dehibe. Ireo mpanendaka sy tontakely ny ankamaroan’ireo jiolahy tratran’izy ireo rehefa atao ny antontan’isa. Eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be sy eny an-tsena no tena ahasamboran’ireo miaramila manao PM ireo jiolahy ireo. Nohamafisin’ny Kly Razafindrakoto fa misambotra fotsiny ihany izy ireo fa anjaran’ny polisy na ny zandary no manao ny fanadihadiana.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique