Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ivontoerana Safidy: hanaraha-maso ny fifidianana  

« Fanamafisana ny Ivontoerana Safidy miaraka amin’ny fandrafetana ny paikadin-tserasera sy ny adisisika hanatanterahana ireo sosokevitra nivoaka tamin’ny tatitra farany nataony nandritra ny fifidianana filoham-pirenena. »  Lohahevitry ny atrikasa fiofanan’ny Ivontoerana Safidy, hanamafisana ny fomba fiasa sy ny fahavononany hitondra ny anjarany amin’ny fahatomombanan’ny fifidianana, araka ny fanambarana teny Ambatonakanga, omaly  izany. Eo ny fifidianana depiote sy ny kaominaly.

Tanjona  ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpisehatra eo anivon’ny Ivontoerana amin’ny famakafakana ny fizotran’ny fifidianana, ny fampivelarana sy ny fampandehanana ny Ivontoerana.

Anisan’ny sosokevitra hanatsarana ny fifidianana  ny amin’ny  lisi-pifidianana, ny fampielezan-kevitra, ny fitantanana ny fifidianana, ny fifanolanana, ary ny fanatsarana ny didy aman-dalàna. Ny fifidianana manaja ny fenitra demokratika no afa-kamerina ny fitokisan’ny mpifidy, ka hisarika ny olom-pirenena handray anjara amin’ny fiainam-pirenena.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique