Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

IFM – Soradihy: hifampizara traikefa ny Malagasy sy ny Alemà

IFM – Soradihy: hifampizara traikefa ny Malagasy sy ny Alemà

Malaza ho mahay mandihy ny Malagasy! Na izany aza, ilaina hatrany ny fifanakalozana mba hampitombo izay fahaizana sy talenta izay. Kanto iray ahitana izany matetitetika ny tontolon’ny dihy…

Miantefa amin’ny mpandihy sy mpanao soradihy malagasy ny « La danse en partage », hotanterahina etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) etsy Analakely, ny 30 marsa izao. Tanjona ny hampivelatra azy ireo amin’ny hafa, ny hisian’ny fifanakalozana ary ny fanamafisana ny fahalalana.

Ho tonga hizara ny fahaizany eto ny mpanao soradihy alemà, i Sasha Waltz. Manana ny maha izy azy ity mpanakanto ity, eo amin’ny ny fomba famoronany, ny fomba fihetsiny ary eo amin’ny fahaizany mampita ny zavatra hainy amin’ny hafa. Mipetraka eo amin’ny tantaran’ny soradihy ankehitriny, izany.

Karazana atrikasa ny « La danse en partage », izay hoentanin-dRandrianantenaina Zaratiana, Malagasy mpandihy, monina any Frantsa, mpikambana ao amin’ny kaompania Sasha Waltz&Guests, efa 10 taona izao. Anisan’ireo hanentana ihany koa i Orlando Rodriguez, miara-miasa matetika amin’ity kaompania ity.

Niorina ny taona 1993 ny Sasha Waltz&Guests, tany Berlin. Efa maherin’ny 300 ny mpanakanto (mpandihy, mpitendry, mpanakanto araka endrika amam-bika), izay avy amin’ny firenena 30 samihafa, niara-niasa tamin’izy ireo. Miisa 80 mahery ny asa famoronana, nivoaka tamin’izany. Araka izany, ifangaroana karazan-javakanto samihafa ny soradihy volavolain’i Sasha Waltz. Heverina fa hitondra amin’ny asa famoronana vaovao ihany koa ny fihaonany amin’ireo mpanao soradihy malagasy, izay manana ny talenta mampiavaka azy koa.

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique