Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

hivoaka DVD ny “Benja Kely 4”: trano mpamokatra 4, indray nanatontosa azy

hivoaka DVD ny “Benja Kely 4”: trano mpamokatra 4, indray nanatontosa azy

Naharitra sivy volana ny fandraisana an-tsary fotsiny… Anisan’ny naharitra indrindra, ny fanomanana sy ny famokarana ilay sarimihetsika “Benja Kely 4”, raha ny fanazavana nomen’i Tovomanana, avy ao amin’ny Maki Pro. Natao ho tanjona ny famoahana vokatra tsara sy matihanina, hany ka trano mpamokatra efatra no indray nifarimbona tamin’ny fanatontosana ny sarimihetsika. Samy nitondra ny traikefany tao anatin’ity vokatra ity ny Maki Pro, Object Mada, Nomad ary Vita Gasy pro. “Tena sarotra ny fanatontosana tamin’ity fahefatra ity, satria niangaliana tsara ny fandraisana ny sary sy ny feo. Nisy niverenana im-betsaka vao nahafa-po”, hoy hatrany ny fanazavana nentin’i Tovomanana.
Mpilalao sarimihetsika efa manana traikefa toa an-dry Rajao, Hery, Ando Rogie, Judith ary Vonjy no nantsoina handray anjara tao anatin’ity “Benja Kely 4” ity. Hivoaka DVD ny 3 avrily ho avy izao izany, ary hiparitaka manerana ny Nosy.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.