Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Governemanta Ntsay Christian: hametra-pialana ny minisitra Volahaingo sy Irma

Governemanta Ntsay Christian: hametra-pialana ny minisitra Volahaingo sy Irma

Tsy azo ihodivirana fa hisy seza banga sahady eo anivon’ny governemanta Ntsay Christian. Nirotsaka hofidina depiote any Bealanana  ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy  ny  fampianarana teknika ary ny  fanofanana arakasa, Volahaingo Marie Thérese.  Tahaka  izany  koa ny minisitry ny Mponina, Naharimamy Lucien Irma,  kandidà ao Toamasina I. Samy natolotry ny IRD, miara-dia amin’ny filoha Rajoelina izy mirahavavy ireo. Hentitra ny  filoha lefitry ny Ceni,  Rakotonarivo Thierry.  “Tsy maintsy  mametra-pialana amin’ny toeran’ny  maha minisitra azy ireo kandidà roa ireo. Tsy maintsy manao izany izy ireo  raha vao mivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà ka anisan’ny afaka mifaninana ireo minisitra nirotsaka  ireo”, hoy izy. Notsiahivin’ny Ceni fa tokony haka fahazoan-dalana fialana sasatra amin’ny asany avokoa ireo tompon’andraiki-panjakana sivily na miaramila, nirotsaka hofidina depiote. “Tsy maintsy manana izany fahazoan-dalana izany ireo voatana anaty lisitra, hifaninana amin’ny fifidianana. Aoka hajaina ny lalàna”, hoy  ihany izy.

Minisitra iray volana sy tapany

Tombanana, araka izany, fa mety hisy fiovana ity governemanta nitsangana tao anatin’ny iray volana sy tapany ity. Mety ho mpisolo toerana  vonjimaika amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly ohatra ny hampandeha raharaha amin’ireo minisitera roa ireo mandra-piandry ny fanendrena ny minisitra vaovao. Tsiahivina fa nomen’ny filoha Rajoelina enim-bolana hanaovana tombana ny asany ireo mpikamban’ny governemanta. Miankina amin’izany koa ny mety hanovana na tsia ireo eo anivon’ny mpanatanteraka.

Synèse R.    

 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique