Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitaterana: takin’ny mpitatitra ny hamoahana ilay fiara nogiazana 

Fitaterana: takin’ny mpitatitra ny hamoahana ilay fiara nogiazana 

Nivory teny Ambohimangakely, omaly, ireo mpitatitra amin’ny kamiao, ary  manamafy ny fitakian’izy ireo ny hamoahana ilay kamiao giazan’ny mpitandro filaminana. Tsy ara-dalàna,  enjehina noho izy nitondra hazo amin’ny andro alina, raha ny voalazan’ireo mpitatitra. « Misy ny « arrêté interministériel », manome alalana ny fifamoivoizan’ity fiara ity amin’ny andro alina.  Tsy teny an-dalana fa efa niandry teny amin’ny toeram-piantsonana no nijanona io fiara io », hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitatitra amin’ny fiarabe.

Ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera, nivoaka ny 13 desambra 2016, ny milaza ity lalàna mifehy ny fifamoivoizan’ny fiarabe mpitatitra ity. Nanao sonia izany ny minisitra telo voakasika. Takin’izy ireo koa ny hitadiavan’ny minisitera rehetra, voakasik’izao raharaha izao, vahaolana haingana. Nambaran’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fihetsiky ny mpitandro filaminana.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.