Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filoha Rajoelina tatsy Kenya: “Efa matotra ara-politika ny Malagasy”

Filoha Rajoelina tatsy Kenya: “Efa matotra ara-politika ny Malagasy”

Nandaha-teny amin’ilay fihaonana an-tampon’ny Firenena mikambana momba ny tontolo iainana, tanterahina atsy Kenya ny filoha Rajoelina, omaly. “Naka fanapahan-kevitra eo amin’ny  tantarany i Madagasikara. Nametraka ho ambony ny fifandimbiasam-pitondrana ara-demokratika.  Efa matotra ara-politika ny Malagasy ka vonona ny hanambatra ny heriny ho amin’ny fisandratana”, hoy izy. Nambarany fa anisan’ny fanamby amin’ny toekarena ny fiarovana ny tontolo iainana. Manana  ny mampiavaka azy amin’ireo karazan-jazavamaniry sy ny harena voajanahary ao aminy i Madagasikara.  “Anisan’ny maotera sy andrin’ny toekarena ho amin’ny fametrahana ho firenena ara-indostrialy maitso izany ary ho amin’ny fampandrosoana… Efa eo ny finiavana politika. Mihevitra izahay fa hampitomboina avo roa na telo heny ny famokarana herinaratra…”, hoy izy. Nanteriny fa naka fanapahan-kevitra ny fitondrana ka hametraka ny ho avy : “Manaja  tanindrazana… Mitsinjo tanin-janaka”. Ao anatin’izany  ny famerenana ho Nosy maitso amin’ny fambolen-kazo 40 000 ha isan-taona.

Anisan’ny nandaha-teny koa ny filoha Frantsay, Macron  ka nilaza fa  fianakaviana iray  ihany ary itoviana ny tanjona : “Hiaro ny tontolo iainana… Mila miaraka raha te hamerina amin’ny laoniny ny tontolo  iainana. Mizaka ny vokatry ny fiovan’ny toetry ny andro koa i Afrika fa tsy ny tandrefana ihany… Ilaina ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiasam-bola ho an’ny  fitrandrahana ny angovo nohavaozina”, hoy izy.

Synèse R.       

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique