Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana depiote: tsy hita tabilao ny HVM

Tsy mahaleo ny tsy miankina ny antoko sy ny vondrona politika amin’ny firotsahan-kofidina amin’izao fifidianana depiote izao. Amin’ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina 855 voarain’ny Ovec amin’ireo distrika 119 manerana ny Nosy: mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana ny 515, raha  340 ny avy amin’ny antoko na vondrona antoko politika.

Ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina nandrotsaka be indrindra: 106 na 12%. Miisa 79 na 8% ny avy amin’ny Tim. Ny aorian’izany: 11, 9, 8…

Nankaiza ny HVM ? Nefa matanjaka indrindra, manana olom-boafidy be indrindra, akaiky vahoaka … Aiza izany izao ? Nihahaka taorian’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, tsy nahazoana 10% amin’ny vato akory.

Antoko tsy misy fototra iorenana

Mazava izao fa tsy ny tanjany ny nahazoany fanjakana, fa ny fahazoany fanjakana no hoe nampatanjaka azy. Teo amin’ny fitondrana vao natsangana, nataon’ny sasany tohatra fiakarana sy fakana tombontsoa fotsiny. Mazava koa fa tsy misy fototra… Olona nosambotsamborina tamin’ny kolikoly ny nahazoana maro anisa teny amin’ny  Antenimiera… ady sy kolikoly isaky ny mihetsika.

Nalaza koa ny hosoka sy hala-bato bevata tamin’ny fifidianana kaominaly sy senatorialy, taona 2015. Ankosotra ihany fa tsy inona ny hoe fahazoana maro anisa. Nankaiza avokoa ireo olom-boafidy? Tsy sahy mijoro amin’ny anaran’ny HVM; nivadika palitao, na miova anarana, na mialokaloka amin’ny hafa… Tsy hita intsony izay hoe fitiavan-tanindrazana nohirahiraina; eny, na izay hoe foto-kevitra aza, raha nisy?

Tsy zava-baovao eo amin’ny fiainam-pirenena  ny fanjavonan’ny antoko avy hatrany, raha vao tsy eo amin’ny fitondrana intsony ny mpitarika. Eny, na matanjaka toy inona aza… Ny fampiasana fahefam-panjakana ny mampatanjaka azy, ary ny mpisolelaka sy ny sakaizan’ny mpandresy no mahamaro ny mpikambana. Na izany aza, nalaky tsy hita loatra eo amin’ny tontolo politika ny HVM, mitaha amin’ny hafa teo amin’ny fitondrana.

Fisehosehoana na fisekosekoana no be? Mila mahay maka lesona ny vahoaka…

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.