Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana depiote: ho henjana ny fifanandrinan’ireo kandidà ao Toamasina

Fifidianana depiote: ho henjana ny fifanandrinan’ireo kandidà ao Toamasina

Samy babany avokoa. Anisan’ny  arahin’ny maro akaiky ny fifidianana depiote ao Toamasina I. Kandidà lehibe sy goavana  avokoa  ireo mifaninana amin’izany. Samy nanolotra kandidà ireo antoko lehibe any an-toerana.

Anisan’izany ny lehiben’ny faritra teo aloha, Mahavimbina Alain, natolotry ny antoko Gar. Avy amin’ny AKFM  Fanavaozana, Rakotomalala Henri na i Riribe. Eo koa ny avy amin’ny IRD,  ny minisitra  sady depioten’i  Mahanoro teo aloha, Naharimamy Lucien Irmah. Mbola avy amin’ny antoko politika ihany koa, Rakotonirina Jean Claude , natolotry ny Tim/K25. Ary ny ny minisitra teo aloha, Ratsiraka Roland, avy  amin’ny MTS. Manampy azy  ireo kosa ny avy amin’ny tsy miankina, ny Dr Ndahimananjara Johanita, Benessy Harisson Sebastien, Botozaza Pierrot, ny  depiote teo aloha i Tody Aranaud,  Rakotoninahy Josephat,

Leonerd Jo ary Ratsimbazafy Mamonjy.  Izany hoe ahitana olom-baovao ireto kandidà ireto.  Eo koa anefa ireo mpanao efa fantatra tao Toamasina na  eo anivon’ny firenena mihitsy aza. Efa minisitra sy nitana andraikitra ambony eto amin’ny  firenena ny maro amin’izy ireo.

Tsy voahaja ny fe-potoana farany ? 

Nanaitra ny maro kosa anefa fa namarana ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina farany mameno ho 12 ny isan’ireo kandidà ny andron’ny 12 marsa  tamin’ny 5 ora sy 9 mn ny kandidà Naharimamy Irma. Hita tao amin’ny bokin’ny Ovec anefa ny  ampitso 13 marsa fa anisan’ny kandidà faha-13  i Igo Totoriaka Guillaume natolotry antoko

Gasmi no faha 13 teo amin’ny fandrotsahana ny dosie. Tamin’ny fotoana ahoana izany ? Tsy voahaja ny fe-potoana farany nomen’ny Ceni, 12 marsa ?

Sajo sy Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.