Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampianarana ambony: mitaky ny tany nobodoin’ny olona ny Seces nasionaly

Fitakiana maromaro nataon’ny filankevitra nasionaly. “Takinay ny hamerenana tsy misy hatak’andro ny tanin’ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana nasionaly, bodoin’ny olona sy ny fiarovana ireo tompon’andraikitra manantanteraka  izany. Tsindrinay manokana ny  fampiharana ny tondrozotra momba ny any Maninday- Toliary”, hoy ny fanambaran’ny Seces nasionaly, omaly tetsy amin’ny CNRE Fiadanana. Manampy ireo ny fitakiana hijerena vahaolana maharitra momba ny fandoavana manontolo ny ora fanampiny, tara hatrany. “Tokony hotanterahina  ireo vary mangatsiaka rehetra, nanomboka ny taona 2009 mifandraika amin’ny didim-panjakana ho fanajana ny lalàna velona sy ho mariky ny fitohizana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny fanomezana lanja ny “promotion internes” mialoha ny hanaovana ny “recrutemnet””, hoy ihany izy ireo. Momba ny raharaha anatin’ny Seces  kosa, hisy ny fifidianana mialoha ny  fotoana ary hatsangana ny komity manokana mahaleo tena hisahana  ny fikarakarana izany.  Notsiahivin’ny izy ireo koa fa tokony hojerena ny lalàm-pifidianana  ka handraisan’ny sampana Seces rehetra anjara ary hampiharina amin’ny fifidianana manaraka.  Na izany aza, niarahaba  ireo filohan’ny oniversite vao lany teny izy ireo.

Synèse R.   

               

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique