Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Edisiona  Ambozontany: nivoaka ny « Ombalahibemaso »

Edisiona  Ambozontany: nivoaka ny « Ombalahibemaso »

Zava-dehibe ny mahafantatra ny tantara. Natao hanabeazana ny  tanora ny tantaran’Andrianapoinimerina. Anisan’izany ny namoriana ny foko maromaro, hatrany Betsileo, Betsimisaraka, Bezanozano… Maro ireo mandiso ny tantara ka mila fohazina”, hoy ny mompera Rabenirina Joseph, tetsy Faravohitra,  omaly. Anisan’ny nitarika famelabelarana momba ireo boky telo nohatsaraina ny tenany ary novokarin’ny edisiona Ambozontany ny tenany. Anisan’izany ny boky Vitasoa :  diksionera frantsay/Malagasy, ho an’ny CEG sy ny lycée. Natambatra ho iray kosa ny boky dimy momba an’i Ombalahibemaso ary ny boky maneho ny tantaran’ny fiangonana sy ny olomasina.  “Natao hanovozana fahalalana  sy fahaizana, hanampy ny tanora hitia ny teniny ireo boky ireo”, hoy ihany izy. Niaiky ny tenany fa efa ao anatin’ny fanatontoloana isika izao ka maro tokoa ireo mampiasa teknolojian’ny fifandraisana. Mbola  hafa koakoa anefa ny boky  raha ny  nambaran’ity  mpampianatra eny amin’ny UCM ity. “Samy milaza ny tiany ny anatin’ireny.  Tsy voahadihady sy voadinika ka misy diso. Zava-dehibe ny fananana boky. Ilaina ohatra ny  fahalalana ny tantara sy ny fototra niaingana momba ny fiangonana”, hoy ihany ny mopera Rabenirina  Joseph.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique