Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps: 11%-n’ny Malagasy ihany no mahazo fiahiana sosialy

Cnaps: 11%-n’ny Malagasy ihany no mahazo fiahiana sosialy

Natao ny 12 hatramin’ny14 marsa teo, ny atrikasa ho an’ny mpiasa sy ny mpampiasa mikasika ny fiahiana sosialy ho an’ny eto Antananarivo. Nikarakara azy ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (Cnaps), nanentanana ny mpiasa hahalala ny zo ara-tsosialiny ary nampahatsiahivana ny mpampiasa hanao ny adidiny amin’ny fanomezan-jo ny mpiasa.

Nilaza Rakotomanana, mpanolotsaina manokana ny tale jeneralin’ny Cnaps, fa “tsapa tokoa fa vitsy ny Malagasy mahazo fiahiana sosialy satria vao ny 11% ny mponina monja.

Anisan’ny antony ny tsy fahafantarana ny lalàna, tsy aloan’ny mpampiasa ny latsakemboka any amin’ny Cnaps”.

Niisa 295 ireo nanatrika ity fotoana ity, raha nahatratra 328 ny nisoratra anarana avy amin’ny sendikàn’ny mpiasa, ny ao amin’ny fampianarana, ny mpiasam-panjakana tsy raikitra (ECD), ny orinasa, olon-tsotra, sns. Nampahafantarin-dRtoa Rakotoary Nathy, tale teknikan’ny Cnaps, fa ny mombamba ny Tahirim-pirenena sy ireo karazana fanampiana omeny. Nitarika ny fiofanana kosa Randrianarijaona Charles, lehiben’ny sampandraharaha SASS ao amin’ny Cnaps, nampahalala ny lalàna mifehy ny asa, ny zon’ny mpiasa, ny fifanarahana arakasa, sns.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique