Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranana: 33,3% ny tahan’ny fanalan-jaza amin’ny nohadihadina 

Efa voavolavola ny lalàna momba ny fanalan-jaza teto amintsika ary natolotra teny anivon’ny filankevitry ny minisitra. Rehefa nahazo ny fankatoavana teny, naroso ho lanian’ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza. Lany soa aman-tsara ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza teto amintsika, saingy nolavin’ny loholona teny Anosikely rehefa nandalo teny izany volavolan-dalàna izany. Mbola nampiana koa fa na azo avy amin’ny fanolanana na firaisana ara-nofo mamoafady na mety hiteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay vehivavy, tsy azo atao mihitsy ny fanalan-jaza eto Madagasikara. Ny zava-misy anefa, manao fanalan-jaza avokoa ny vehivavy amin’ny faritany enina ary manana ny fomba iainany sy hanaovany azy fotsiny. Mitana ny laharana voalohany ny any Antsirananana, mahatratra 33,3% no efa nanao fanalan-jaza amin’ny vehivavy nohadihadina, manaraka  Toliara 26,1%, Toamasina 22,2%, Mahajanga 19,5%. Eto Antananarivo, 14,4%  no niroso tamin’izany ary any Fianarantsoa no farany 10,7%. Tsy araka ny hevitra raiki-tapisaka hatramin’izay fa ny vehivavy eo anelanelan’ny 25-49 taona no manala zaza raha 14% monja ny tanora 15-19 taona misafidy ny hanao izany. Misy ny fanalan-jaza ary sandaina vola ny manatanteraka azy fa atao miafina satria voararan’ny lalàna, araka ny fanazavan’ny mpikambana iray ao amin’ny Nifin’ankanga, Ravelomarimisa Mbolatiana.

Araka ny fanadihadiana ihany, ny fampiasana fanafody no be mpisafidy indrindra rehefa hanala zaza, 45,3%, ny 38,4% indray, manao ny « curetage », 13% mampiasa ny « sonde » raha 4,5% no manao ny « aspiration ».

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique