Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankorondrano: saron’ny BC ireo jiolahy 4 nanafika tao amin’ny village des jeux

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC), sakelika voalohany ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Ankorondrano, ny alahady maraina lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina tamin’io andro io, nitrangana fanafihana mitam-piadiana nataona jiolahy efatra nitondra basy poleta miisa roa tao amin’ny trano lehibe iray ao amin’ny « village des jeux » Ankorondrano. Very nandritra ity fanafihana ity ny firavaka sarobidy miampy ordinatera miisa roa sy telefaonina finday ary vola mitentina 5 tapitrisa Ar. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireo niharam-boina ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy. Tamin’izany no nitazonan’ny polisy ny vehivavy iray mpanampy tao an-tranon’ireo niharam-boina ary nahalalana fa io vehivavy io no mpanome vaovao ireo jiolahy nanafika tao an-trano tamin’io andro io. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka nosamborina koa ny vehivavy iray izay nampiditra ilay vehivavy mpanampy hiasa tao amin’io trano io, ary fantatra fa miray tendro izy ireo, raha ny fanazavan’ny polisy hatrany. Ny vadin’ity vehivavy ity no isan’ny nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana mitam-piadiana. Voasambotra teny Ankorondrano ny talata teo ny vadin’ilay vehivavy niaraka tamin’ny lehilahy iray voalaza fa isan’ny nanao ny fanafihana ny andron’io alahady io. nohamafisin’ny polisy hatrany fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao amin’ny toeram-pisakafoana iray ao Ivandry, ny 22 febroary 2019 lasa teo izay namoizana ain’olona roa ny iray amin’ireto jiolahy ireto.

Jean Claude

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique