Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohijafy Avaratra – Toamasina: tokantrano notafihin’ny jiolahy 7 mianadahy        

Ambohijafy Avaratra – Toamasina: tokantrano notafihin’ny jiolahy 7 mianadahy        

Notafihin’ny andian-jiolahy miisa fito mianadahy ny tokantrano iray ao Ambohijafy Avaratra Toamasina, ny talata tolakandro teo, tsy lavitra ny kianja fanaovam-baolina kitra “Lemalade Eric” no nitrangan’ity fanafihana ity. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, tokantrano iray mampiasa vehivavy mpanjaitra no niharan’ny fanafihana sy fandrobana. Voalaza fa tsy tao an-toerana ilay renim-pianakaviana tena tompon’ity orinasa kely ity fa ireo mpanjaitrany no tao an-trano. “Tsy  nanampo na inona na inona izahay fa avy hatrany dia olona miisa fito mianadahy tsy nisaron-tava ka ny enina tamin’izy ireo nanao fanamiana mpitandro filaminana sy nirongo basy, ilay vehivavy kosa tsy nisaron-tava sady nandrahona tamin’ny basy”, hoy ny fitantaran’ireo mpanjaitra. Nobatain’izy ireo avy hatrany ny tele ary vola 6 hetsy Ar. Tsy nisy kosa ny basy nipoaka na olona naratra nandritra ity fanafihana ity fa lasa nivoaka moramora ry zalahy ary nandeha tamina fiara 4×4 iray nitondra ireo entana halatra ireo. Taorian’izay kosa vao sahy niantso ireo mpampiasa azy ireo mpanjaitra. Mampiahiahy ihany ity trangana fanafihana tao Toamasina ity ary efa misy olona hipetrahan’ny ahiahy ho tompon’antoka amin’ity raharaha ity, saingy ny fanadihadiana ataon’ny polisy no ahafantarana ny marina momba izany.

J.C sy Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique