Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – ball: nirotsaka hofidina Andriamanantena Tahiana

Volley – ball: nirotsaka hofidina Andriamanantena Tahiana

Tafapetraka, omaly etsy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny antontan-taratasin’ny kandidà Andriamanantena Tahiana, hilatsaka hofidina ho filohan’ny federasiona malagasy ny taranja volley-ball. «Noho ny fitiavana ilay taranja efa nanomboka hatramin’ny fahakely ka hatramin’izao no nahatonga ahy nanapa-kevitra hirotsaka», hoy ny tenany, taorian’ny nametrahany izany antontan-taratasy izany, izay nohamafisin’i Finaritra, tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera misahana manokana ny fandraisana izany, fa voaray ary voamarina avokoa ireo taratasy rehetra ilaina avy amin’ity kandidà ity. Tsy vahiny amin’ity tontolon’ity taranja ity ny kandidà Andriamanantena Tahiana, mahatsapa fa noho ny fisian’ny lesoka teo amin’ny fitantanan’ny teo aloha ihany koa ny tena anton’izao firotsahany izao. Mihavitsy ireo mpitia sy mpijery baolina, midina ny haavo teknika. Hatramin’izao, mbola tsy misy ny fanomanan’ny atletantsika izay anjaran’ny federasiona aloha ny tokony hihetsika voalohany vao manampy ny fanjakana. “Manoloana izany rehetra izany no nahatonga izao fahavononako hiditra hitantana izao”, hoy hatrany ity kandidà mbola tanora ity, vonona hitondra vahaolana hampiakarana sy hamerenana toy ny taloha ny haavo teknika sy ny fitiavan’ny olona indray ity taranja ity. Isan’ny fandaharanasany ny hametraka ilay politika ho an’ny taninketsa hijerena ny hoavin’ireo tanora mpandimby. Tanjona, afaka efa-taona, mba ho ireny mpilalao ireny ny mandrafitra ny ekipam-pirenena fa ny misy hatramin’izay, mpilalao efa mihoatra ny 40 taona ny hita ao, izay efa lehibe raha mitaha amin’ireo Nosy rahavavy. Ankoatra izay, hifantoka bebe kokoa amin’ny beach volley ny asa, handray anjara amin’ireny karazana fifaninanana iraisam-pirenena ireny isika satria vitsy ny isan’ny mpilalao.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.